Isan’ny toerana “tena” mena amin’ny tsy filaminana ny eo amin’ny “rond point” Tanamakoa – Morafeno iny amin’ny asan-jiolahy izay ireo posy mpatory an-dalana eo ihany no tena mpanao izany amin’ireo olona tratra alina amin’ny fodiany. Efa niharan’izany fanendahan’ny posy jiolahy teo amin’ity toerana ity izany ny mpanao gazety tratra alina noho asany; saingy ny farany teo dia raim-pianakaviana iray tratra alina namonjy lanonana nandeha fiara no niharan’izany. Efa mailo anefa ilay raim-pianakaviana ka nanaovany hitsin-dalana ireo posy nanakan-dalana azy, izay inspektera polisy miasa eto Toamasina no tompon’ireo posy simba sy ampiasain’ireto mpanendaka ireto. Izay no nahatonga ny raharaha raha niantso ny polisy ny Fip sampan’ny Valpinson ilay raim-pianakaviana dia izy indray no niharan’ny antsonjay satria hoe nanao lozam-pifamoivoizana nanimba ny posin’ilay inspektera entina mpitondra posy mpanendaka ity. Raha ny fanazavan’ny Atoa Fabrice niharam-boina dia posy telo no manakan-dalana tamin’izay, raha nanantona azy ilay mpitondra posy iray raha nampaneno anjomboka fanairana izy dia avy hatrany dia mailo ny tenany ary nanaovany hitsin-dalana ilay posy nanakana teo afovoan’ny arabe tsy nisy olona akory tao anatiny. Nanomboka teo dia ilay raimpianakaviana indray no niharan’ny antsonjain’ny Fip. Nanambara i Fabrice fa tsy maintsy hitory eo anivon’ny fampanoavana ny tenany noho izany. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.
Malala Didier