Nisy fanafihana dahalo narahana halatr’omby tany amin’ny tanàna antsoina hoe Berano fokontany Antranokoaky any Morafenobe. Vokany, lasan’ireo mpangalatra ny omby 250. Nodarohan’ireo olon-dratsy ny tompon’omby ary naratra mafy. Raikitra ny fifandonana taorian’ny fanarahan-dia niarahan’ny fokonolona sy ny zandary. Dahalo roa no lavo taorian’izany ary fito naratra izay mbola lasa nentin’ny namany nandositra. Basy iray nampiasain’izy ireo koa no tratra. Efa nalefa any amin’ny Hopitalin’i Morafenobe ilay tompon’omby naratra. Tafaverina manontolo amin’ny tompony ny omby miisa 250. Mbola mitohy kosa hatramin’izao ny fanenjehana ireo dahalo ireo satria marihana fa misy ny hetsika fampandian-tany na « opérations » ataon’ny zandary amin’izao fotoana izao any amin’iny faritr’i Melaky iny.
Articles qui pourraient vous intéresser