
Nitrangana fifiandonana mahery vaika tany amin’iny distrakn’i Morafenobe iny, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Raha ny vaovao dahalo efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao amin’ny tanàna Andrefan’Ampanasana. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby fito. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo no nitrangan’io. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia izay nataon’ireo andrimasom-pokonolona niaraka tamin’ireo zandary tany an-toerana. Tsy ela dia nifankahatratra ireo dahalo sy ireo mpanenjika ka raikitra teo ny fifampitifirana. Raha ny voalaza dia dahalo iray no maty vokatr’izay. Tsy nisy naninona kosa ireo mpanara-dia. Rafitra nitsoaka kosa tetsy andanin’izay ireo dahalo naman’ity voatifitra. Azo avokoa vokatr’izay ny omby nangalarin’izy ireo izay efa naverina tamin’ny tompony. Mbola mitohy kosa ny fanaovana hazalambo ireo hafa tafatsoaka tamin’io fotoana io.
m.L