Nirefodrefotra ny basy tany amin’iny faritra Melaky iny. Ny faran’ny herinandro lasa teo, nifanandrina indray mantsy ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny fokonolona sy ny andian-dahalo nanafika tany amin’iny distrikan’i Morafenobe iny. Telo ireo dahalo lavon’ny balan’ny zandary, ary am-polony no naratra mafy, saingy nentin’ny namany nitsoaka. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nitotaly teo amin’ny 30 lahy teo ireto malaso, nirongo basy aman-defona, nanafika ny fokontany Tsingilotoka, ao amin’ny kaomina Andramy. An-jatony ireo omby lasan’ireto malaso ireto tamin’io fotoana io. Tsy afa-namaly akory ireo mponina voatafika noho ny tsy fifandanjan-kery teo amin’ny roa tonta ka namela ireo dahalo hanao izay danin’ny kibony. Fotoana fohy taty aoriana no tonga zandary ary niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia. Nifanehitra tao amina kizo iray tany an-toerana ireto mpanenjika sy ireo olon-dratsy ka nitatatata ny basy. Tamin’izay no nahalavo ireto dahalo ireto. Resy tosika ireto farany ary nanao tari-dositra. Mbola mitohy ny fikarohana azy ireo raha ny fanazavana azo hatrany. Tsy nisy ny naratra kosa na namoy ny ainy kosa ireo mpanara-dia.
m.L