Niala tao Maintirano ity fiara ity ary handeha hihazo an’i Tsiroanomandidy. Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy anefa fa voatafika teo amin’ny toerana antsoina hoe Analavory, kaominina Beravina, distrikan’i Morafenobe izy ireo ny marain’ny alakamisy teo. Andian-dahalo maromaro no nanakana ny lalan’ity fiara tsy mataho-dalana ity. Dahalo, izay nirongo fitaovam-piadina toy basy, sabatra ary lefona. Paikadin’ireo olon-dratsy mpanakan-dalana amin’iny faritra iny no mitily avy hatrany ny mpamily, amin’ny alalan’ny tifitra sy tora-bato. Tamin’io fotoana io anefa, tsy nampoizin’ireo olon-dratsy ny fisiana mpitandro filaminana, pôlisy, niaraka tamin’izany fiara izany. Mazava ho azy fa niditra an-tsehatra avy hatrany ity farany. Raikitra ny fifandonana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Ireo olon-dratsy, izay nanampo velively ny famaliana avy amin’ireo « hazany » ka somary nisamaritaka ihany. Tetsy andanin’izay, iray tamin’ireo mpanakan-dalana no voan’ny bala ary maty tsy tra-drano. Nahita izay ireo namany hafa, raiki-tahotra ary nitsoaka nandositra toy ny tsy teo. Raha ny vaovao azo moa dia tsy dia nisy naninona ireo olona tao anatin’izany fiara voatafika izany, ankoatry ny fahasimbana vokatry ny tifitra sy ny tora-bato. Azo teny am-pelatanan’ilay olon-dratsy maty kosa ny basiny : basim-borona voasikotra sy voahaingo ny vodiny. Efa nomena ny fokonolona moa ny vatana mangatsiakan’ity farany taorian’ny fitsirahana nataon’ireo tompon’andraikitra. Nandray ny tohin’ny raharaha avy hatrany kosa ireo mpitandro filaminana teny an-toerana, nanao hazalambo sy fikarohana ireto mpanafika ireto. Efa an-taonany maro dia maro tokoa no niaina tanteraka izany ireo mponina, mpindrana iny lalam-pirenana voalohany A (RN1A) iny. Lalam-pirenena izay anisan’ny mampikolay ny maro tokoa. 407 km, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano, ary alaina eo amin’ny telo na efatra andro, arakaraka ny vanim-potoana. Ankoatry ny haratsin-dalana dia manampy izao trotraka izao koa ny dahalo. « Toa isaky ny fiolanan-dalana dia hisy mpanafika hipoitra foana … ny toerana rahateo ankodahoda tanteraka », hoy ny fitantaran’ireo efa nisedra izany lalam-pirenena izany.
m.L