Tsy niandry ela fa andro vitsy monja taorian’ilay famonoana nihatra tamina vehivavy teratany karàna iray, tany amin’iny faritra Morafenobe iny, dia efa niroso tamin’ny fisamborana ireo zandary tany an-toerana. Roalahy voalaza fa rain-dahiny tamin’ny fakàna an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana no voasambotra, ny talata lasa teo. Saika hitsoaka anefa ry zalahy ireto ka niroso tamin’ny fitifirana ny zandary. Maty vokatr’izay ireto ambara fa jiolahy ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ireto farany, dia tany amin’izany toerana antsoina hoe Ampasimena izany izy ireto no nosamborina. Fantatra tamin’ny fanafihana mitam-piadiana izay mampihorohoro ny mponina any amin’iny faritr’i Melaky iny izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana azy roalahy hatrany no nahafantarana fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanolanana sy famonoana ho faty tamin’ny fomba mahatsiravina an’i Femeda Samcoidine izy ireo. Niroso tamin’izay fanadihadiana izay ireo zandary. Rehefa nahazo didy fisavàna ny tranon’izy ireo tany Ampasimena, kaominina Morafenobe ireo mpanao fanadihadiana, dia nikasa ny hanatanteraka izany. Nentina niaraka teny ireto voasambotra. Teny an-dalana anefa, raha ny vaovao hatrany, dia nitsoaka izy roalahy. Niezaka ny nanenjika ireo mpitandro filaminana ary tonga hatrany ny fitifirana, ka nahafaty ireto olona voalaza fa olon-dratsy ireto, raha ny vaovao nampitaina hatrany. Na izany na tsy izany, rehefa misy ny tranga toy izao, tsy maintsy mandeha ny fanadihadiana. Fantatra ary fa ankoatr’ilay raharaha famonoana karàna dia efa eny am-pelan-tanan’ireo tompon’andraikitra ihany koa ny nahafaty azy roalahy ity. Natolotra ny fokonolona teo an-tanana ihany moa ny razana rehefa avy nozahana.
m.L