- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMorafenobe : Mpanakanto voatafika, voaroba 8 tapitrisa Ar

Morafenobe : Mpanakanto voatafika, voaroba 8 tapitrisa Ar

Saika manerana ny nosy ankehitriny no andrenesam-baovao mahakasika ny fanafihana an-dalambe mitam-piadiana. Ny alin’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny sivy ora, fiara kamiao iray nitondra ny Tarika Betofy (mpanakanto malaza any amin’ny Faritra Melaky, mivoy ny gadona kilalaky) no notafihana telo lahy nirongo basy mahery vaika. Raha ny fampitam-baovao voaray, avy nanao fampisehoana tao avaratry Manambaho Andranovao Distrika Morafenobe ity mpanakanto ity sy ny ekipany tamin’io, ka iny hihazo an’i Maintirano iny ry zareo no notafihan’ny dahalo teny an-dalana, ary lasan’ireo olon-dratsy ny lelavola valo tapitrisa ariary sy entana sarobidy maro. Sady naratra ity mpanakanto ity sy ireo niaraka taminy no very vola sy fananana. « Nitifitra avy hatrany nanandrify ny mpamily ireo mpanakan-dalana nentina nampijanonana ny fiara. Noho ny tahotry ny vavam-basy nirefodrefotra, tsy afa-nanohy ny dia intsony izahay, satria vaky potika tanteraka ny fitaratra anoloan’ ilay kamiao, ka niliba ireo dahalo nandraoka vola sy entana sarobidy tian’izy ireo sy zakany », raha ny fanazavana azo hatrany.

Eric Nahoda

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici