Niafara tamina rà nandriaka indray ny fanakanan-dàlana tamin’iny lalana mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano iny. Olona roa no maty voatifitry ny jiolahy, teo anelanelan’ny fokontany Bedoboka sy ny sampanana Bemahatazana ao amin’ny kaominina Morafenobe, ny sabotsy hariva lasa teo. Tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny faritra Melaky ity iray maty voatifitra ity, raha tovolahy mpikirakira mozika fanta-daza ao Maintirano kosa ny iray. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana, dia ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo no nitranga ity fanakanan-dàlana miharo famonoana olona ity. Fiara tsy mataho-dalana natao ho taxi-brousse no lasibatra tamin’ity fanafihana ity. Lalan-dratsy rahateo no mankany amin’ilay toerana. Tsy maintsy mandeha mora araka izany ilay fiara. Tamin’izany indrindra, hoy hatrany ny vaovao no nisy lehilahy roa nilanja basy teo alohany. Noheverin’ireo mpandeha fa toy ny mpiandry omby ireto roalahy ireto ka tsy noraharahian’izy ireo. Vao nandingana kelikely azy ireo anefa ny fiara, avy hatrany dia nirefodrefotra ny basy. Ny mpamily no tena nokendren’ireto roalahy ireto, saingy nahay nihilana haingana ity mpamily ity, ary niantefa teo amin’ireo mpandeha roa teo akaiky ny bala. Samy voa teo amin’ny lohany ireto mpandeha ireto. Nijininika ny rà. Niezaka ny hitsoaka teo amin’ilay toerana ny mpamily ary tafavoaka soa aman-tsara ihany. Nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana tao Morafenobe ireo naratra, saingy indrisy fa tsy avotra intsony ny ainy, raha ny vaovao hatrany. Marihana fa tsy nahazo n’inona n’inona ireto olon-dratsy ireto tamin’ity fanafihana ity. Raha ny fantatra ihany koa, dia nisy mpivarotr’omby, mpandeha tao amin’ity fiara ity. Heverina araka izany fa ireto olona ireto no saika notilian’ireto olon-dratsy ireto. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary any an-toerana ity raharaha ity. Efa mandeha kosa ny savahao, natao hikarohana ireto jiolahy ireto.
m.L