Hatairana ny an’ireo olona teo amin’ny manodidina, raha nandre feom-basy nanakoako, nandrovitra ny voalin’ny alina, ny sabotsy hifoha alahady lasa teo tany amin’iny distrikan’i Morafenobe iny. Lehilahy iray no fantatra, fa nitifi-tena ary maty tsy tra-drano.
Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nitranga izy io araka ny angom-baovao azo. Zandary iray mitondra ny grady kilasy voalohany, miasa eo anivon’ny « poste avancé » ao Ankalalo, kaominina Beravina, distrika Morafenobe ity lehilahy hita faty tao an-tranony ity. Raha ny vaovao hatrany, dia nitifi-tena tamin’ny alalan’ny basy fampiasany izy. Niditra teo amin’ny saokany ny bala ary nivoaka tao an-tampon-dohany. Rotiky ny bala tanteraka araka izany ny lohany. Nandriaka ny rà ary namoy ny ainy teo no ho eo ilay raim-pianakaviana. Hatreto dia nandeha ny resaka ary nifamahofaho be ihany ny mety ho antony nahatonga azy nitifi-tena tahak’izao. Voalaza fa hoe olana teo anivon’ny tokantranony no anton’izany, kanefa mbola siosion-dresaka ihany izany. Marihana, fa tsy nisy afa-tsy izy irery no tao an-tranony tamin’io fotoana io. Efa manao ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.
m.L