Ny lamosiny no voan’ny bala ary nivoaka tamin’ny vatany. Nifampitifitra ny zandary sy ny dahalo tao amin’ny fokontany Ampanasana, eo anivon’ny distrikan’i Morafenobe. “Dahalo maromaro nitondra basy no saika hanafika ny tanàna, ny alakamisy teo tamin’ny sivy ora alina. Hitan’ny zandary ny niavian’izy ireo ary rehefa nosakanana avy hatrany dia namaly tifitra ireo olon-dratsy. Teo no raikitra ny fifamaliana tifitra. Voatifitra ny taolam-pisaky ny “Chef de poste” izay naratra mafy ary nentina angidimby nankaty an-dRenivohitra mba ho fanavotana ny ainy” raha araka ny fizaram-baovaon’ny zandary. Tao anatin’ny fifampitifirana dia lavo ny dahalo roa. Miady aman’aina hatrany ny mpitandro ny filaminana izay miasa any an-tany lavitra. Olana voalohany izay tsy maintsy hatrehan’izy ireo ny fananan’ny dahalo basy izay indraindray dia efa mitovy lenta amin’ny ampiasain’ny mpitandro ny filaminana. Tsy vitan’izany fa mbola mahay mampiasa ny fitaovam-piadiana koa ireo jiolahy, toy ireny nisy nampianatra ireny. Izany antony izany nitambatra no nampisesy nisy fotoana ny fahafatesan’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny faritra maro, indrindra any amin’ireo betsaka dahalo. Ankehitriny dia efa mifantoka tanteraka amin’ny fandefasana kômandô maro ny ezaka mba hamerenana haingana ny fandriampahalemana. Maro ny manahy fa hisy indray ny rà mandriaka amin’ny toerana izay hifantohan’ny ady. Amin’ny lafiny iray anefa, dia misy koa ny fijery iray izay manazava fa tsy voatery amin’ny herisetra ho hamaliana ny herisetra. Saingy na izany aza, efa ambony loatra ny tahan’ny tsi- fandriampahalemana ka eo no tsy maintsy miankina amin’izay zava-misy eny amin’ny toerana no hahafahana mamaritra ny paik’ady. Miankina betsaka amin’izay mpitarika izany ny fanapahan-kevitra, araky ny zava-misy.
D.R