
Jiolahy anankiroa no tratran’ny zandary ato anatin’ny vondron-tobim-paritr’i Moramanga, ny 09 aogositra tokony ho tamin’ny telo ora maraina, raha enina izy ireo no niaraka ary mirongo basy mahery vaika. Ny alin’ny 08 aogositra tokony ho tamin’ny misasakalina no nanafika mpivarotra enta-madinika iray manamorona ny lalan’Anosibe An’Ala teo amin’ny PK 33 ireto mpangalatra ireto. Lasan’izy ireo ny vola iray tapitrisa ariary. Vao niseho ny fandrobana, dia niantso ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra eto Moramanga raha vao naharay antso. Raikitra ny fifampitifirana, rehefa tokony ho tafavoaka ny fanakanan-dalan’ny Polisim-pirenena, izay efa 02km tsy hiditra ny tanan-dehibe: ka tsy maintsy nanaovan’ireto ny fanadihadiana ka nahatonga azy ireo tsy hijanona no nanapoaka . Nanomboka teo ny fifanjevoana, dia izao nahazoana vokatra izao. Noho ny tsy fisian’ny fiara tsy mataho-dalana; izay tokony hananan’izy ireo amin’ny maha toerana fandalovana an’i Moramanga, dia anisany tsy dia mampahomby loatra ny fanenjehana ny olon-dratsy na dia fantatra aza ny lalana alehany. Tsy misy avy ato anatin’ny faritr’i Moramanga ireto olon-dratsy ireto, fa manana mpampiantrano kosa izay tratra niaraka tamin’ilay anankiray avy any Toamasina monina ao Mangarano Ankirihiry. Efa vita ny famotorana ka natolotra ny fampanoavana ny 13 septambra teo ireo voasambotra. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany sisa izay tsy hijanonana hatreo,fa hitohy ary efa misy ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka. Andrasana amin’ny fanjakana foibe ny fijerena ny fahazoana fiara tsy mataho- dàlana hoan’ny vondron-tobim-paritr’i Moramanga hahafahan’izy ireo manatsara ny vokatra tokony ho tratrarina eo amin’ny fandriampahalemana.
CATHY