Rongony milanja 200 kilao miaraka amin’ny voany saika hatao ambioka milanja 50 kilao no nodoran’ny zandarmaria eo anivon’ny vondrontobim-paritra eto Moramanga notarihan’ny « commandant” Rakotoarisoa Eugene, ny 3 aogositra 2016 tao amin’ny tokotany malalaky ny zandary, izay miala efatra kilaometatra ny toeram-ponenan’ny olona, teo anatrehan’ireo solontenam-pokonolona sy ny mpanao gazety. Tao amin’ny tanàna iray eo anelanelan’ny kaominin’i Lakato sy ny distrikan’Anosibe An’Ala no nahitan’ireo zandary rongony maniry ao anatin’ny velaran-tany roa hekatara mahery ka tsy maintsy nopotehana sy nodorana niaraka tamin’ny fotony, niarahana niasa tamin’ireo sefo fokontany sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo zandary nidina tany an-toerana. Nokasaina hamidy eto Moramanga sy iandrasana mpandray avy any Antananarivo ireto entana ireto, izao tratra izao. Noho ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny mponina manodidina no nahazoana ny loharanom-baovao. Betsaka ny olona resy lahatra fa anisan’ny fototry ny fikorontanana amin’ny lafiny maro ny fifohana zava-mahadomelina, satria efa betsaka ny fanentanana ataon’ireo zandary isaky ny manao fidinana ifotony. Mandritra ny fidinan’izy ireo any ambanivohitra dia manao ny fanentanana amin’ny vokadratsin’ny fanaovana tavy sy ny mahakasika an’ireo fandikan-dalana maro samy hafa izy. Mandritra izany fanentanana izany dia midina ifotony mihitsy ny komandin’ny vondrontobim-paritry ny zandary eto Moramanga mihaino sy mamaly ny fanontanian’ireo mponina eny ifotony ka nahatonga ny fahatokisan’ireo vahoaka ny zandary eto Moramanga.
CATHY
Moramanaga : Rongony 200 kg tratran’ny zandary nodorana
Articles qui pourraient vous intéresser