Efatra mirahalahy ireo mpanafika sy mpandroba mpivarotra no tratran’ny zandary eo anivon’ny borigady eto Moramanga nandritra ny hetsika manokana nataon’izy ireo taorin’ny fitarainana maro nifanesy voaray, hoy ny komandin’ny borogadin’ny zandary eto Moramanga, GPHC Rabeantoandro Andriamifidy Jean. Efa betsaka ny asa fanafihana nataon’izy ireo, hoy hatrany ireto olona hatolotra ny fampanoavana ireto raha niaiky ny asa ratsy nataony izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao azy. Ny 26 febroary 2018 no nanaovana ny fisamborana azy rehetra taorian’ny nahatrarana ny iray ny alin’ny 22 febroary 2018 teo am-panaovana ny asa ratsiny.Tanora manodidina ny 20 taona avokoa sady efa tafiditra ao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Miroso amin’ny paik’ady vaovao ny eo anivon’ny borigadin’ny zandary eto Moramanga hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana
Cathy