Tratra ny tanjona teo amin’ny fampianarana sy fampiofanana teo anivon’ireo zandary andiany navoaka tamin’ity andron’ny 23 desambra 2016 ity satria 12/20 ny naoty ambany indrindra hoy ny komandin’ny sekoly sy ny fiofanana amin’ny zandarmariam-pirenena, ny Générale de Division Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel. Anisan’ireo fanamby napetrany amin’izao fotoana izao ny tsy hisian’ny gaboraraka sy ny fijerena ny maha olona. Azo antoka ny fiatrehan’ireto andiany nivoaka ireto ny toeram-piasany avy any amin’ny faritra satria niavaka ny fanaovana ny fampiharana tamin’ity taona ity. Nandritra ny iray volana no nanaovana izany no sady niatrika ny frankofonia, hoy hatrany ny komandin’ny sekoly ambonin’ny zandarmariam-pirenena, ny kolonely Ramasitera.Andiany fito no nivoaka izay nahitana ny 8eme CSRC( cours de la section de recerhe criminelle) izay miisa telo, 29eme CPOS (cours de perfectionnement des officiers subalternes) miisa 26, ny 3eme CGAPJ (cours chef de groupe d’appui de police judiciaire) 10 izy ireo, ny 29ème CFOR ( cours de formation des officiers issus du rang) 15 no mpiofana,3eme DE ( cours de directeur d’enquête) miisa 20, 8ème CSI-CS2 en informatique, nahitàna mpiofana 26 ary ny « 29ème stage militaire professionnel de brevet de spécialisation » izay nampitondrainy ny anarana hoe SAFHIR na ny hoe sehatry ny andraikitra sy fahamarinana iraisana. Ny zandary rehetra ho sahy handray andraikitra sy hijoro ho olon’ny lalàna, lavitry ny kolikoly, ho tombotsoan’ny firenena, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Tsy adidin’ny mpitandro filaminana irery ny fiarovana ny firenena .
CATHY