- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Ankizilahy maty voadonan’ny « camion »

Moramanga : Ankizilahy maty voadonan’ny « camion »

Zazalahy 13 taona no voaodonan’ny kamiao ny larobia 07 may tamin’ny 06 ora sy 10 minitra, raha nirahina handeha hividy kafe maraina izy teo Andranokobaka lalam-pirenena faharoa raha 5km miala an’i Moramanga, hihazo an’Antananarivo;vao nahavita ny fanadinana andrana CEPE ka hiomana ny handeha hody, satria miakatra ny renivohitra no manao fanadinana toy itony ary mbola any Ankailava izay  alaina dia an-tongotra adin’ny roa mahery dian-dehilahy. Anisan’ny zaza antenain’ny reniny ity zaza ity ary nanaraka azy mihitsy izy reniny nikarakara azy nandritra ny fanaovany ny fanadinana andrana nefa dia razana no nentina nody.Tonga ara-potoana ny zandary nanao ny asany an-tsakany sy an-davany ary hanatitra izay vokatry fanadihadiana eny anivon’ny fitsarana.

Cathy

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser