- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga - Aretina pesta : Tafiakatra valo ireo namoy ny ainy

Moramanga – Aretina pesta : Tafiakatra valo ireo namoy ny ainy

Valo no maty nandritra izay enina andro nisian’ny aretina pesta amin’ny tratra izay; raha fantatra fa ny zoma 21 aogositra no efa nahitana tranga nampiahiahy tao amin’ity fokontanin’Antsiazompody ity. Efa voafehy tsara kosa ankehitriny ary ampy tsara ny fanafody eo anivon’ny hopitaliben’i Moramanga, efatra ireo mbola manaraka fitsaboana ao amin’izao fotoana izao. Nidina eny ifotony avokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana manao fanaraha-maso ny mponina rehetra eny amin’ny faritra nitrangan’ny aretina. Nifarana hatreo ihany koa ny ny fanararaotana tamin’ny vidim-panafody nataon’ireo mpivarotra izany eny an-tsisin-dalana, raha tafakatra ho fito arivo ariary tao anatin’ny ora telo monja ny voam-panafody folo, izay noheverina fa ho fisorohana ity aretina ity no sady noheverina hatrany fa tsy mahafaty haingana. Tsy misy atahorana intsony amin’izao fotoana izao, noho ny fandraisana andraikitry ny eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamana manoloana trangan’aretina niteraka savorovoro tao anatin’ny fotoana fohy, izay saika tsy nahafahan’ny tsirairay nifankahita tava noho ny tahotry ny fofonain’ny olon-kafa.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici