- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga-Asan-jiolahy : Ramatoa lehibe iray may, ankizy voadaroka

Moramanga-Asan-jiolahy : Ramatoa lehibe iray may, ankizy voadaroka

RAMATOA-MAYNohidin’ireo dahalo tao an-trano ireo tompon-trano, rehefa avy namoaka ireo omby sy izay entana tiany izy ireo. Ny iray tamin’ireo omby 21 no novonoiny tao am-balany, ny alin’ny 06 novambra tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany, tao amin’ilay zana-tanàna Ambothitranjavidy mainty amin’ny fokontany Ambohimena kaominin’Andaingo. Niezaka ny nanavo-tena ireo zaza amam-behivavy sisa tavela tao an-toerana na dia efa voahidy tao an-trano aza. Zazalahy vao 10 taona no tratra teo am-pandosirana, ka nodarohan’ireo tsy mataho-tody ny hazo.Ramatoa be 80 taona miaraka amin-janany no may ny vatany manontolo. Akanjo teny an-koditra sisa no nentin’ireo fianakaviana monina anaty trano telo tafo nandositra, noho izy ireo tsy navelan’ireo dahalo nijanona na dia iray minitra aza.Niezaka ny hangalatra omby ireo olon-dratsy fa noho ny firaisankinan’ireo fokonolona sy ny zandary  dia tafaverina tamin’ireo tompony rehefa tafavoaka valo kilaometatra niala ny tanàna ny 07 novambra tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Mitohy ny fikarohana ireo nahavanon-doza ary efa mipetraka ny andrimasom-pokonolona hahafahana mifanome tànana amin’ireo mpitandro filaminana.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser