Rehefa natolotra ny fitsarana ireo rehetra voarohirohy tamin’ilay basy Kalachnikov tratran’ny zandary Moramanga, tao an-tranon’ilay antsoina hoe Rasta mpivarotra rongony tamin’ny 2 septambra 2016 iny, dia naiditra am-ponja ao Moramanga ihany izy telolahy, dia i Rasta nividy ilay basy tamin’ny vola 250.000 ariary ny antsoina hoe Franck iray tamin’ireo nanendaka ilay basy sy nanafina azy tao ambany tonelina sy olona iray nasaina nitady mpividy ka nametrahana ilay basy nandritra ny telo andro talohan’ny nividianan-dRasta azy. Novotsorana kosa noho ny fisalasalana ilay iray izay nirahin’i Santatra haka ilay bisikileta rehefa tsy nahitana vesatra nitazonana azy.
Raha tsiahivina, dia tamin’ny alin’ny 6 hifoha 7 aogositra teo no nisy nanendaka teo akaikin’ny gara ny lehilahy araka ny loharanom-baovao tamin’ny andrimasom-pokonolona. Rehefa avy nisotro tao amin’ny Bar ka narahin’ireto olondratsy. Rehefa tonga teo amin’ny maizina izy dia nodarohan’ireto farany ka nalainy ny basiny. Tsy nilaza tamin’ireo tomponandraikitra mpikaroka ny fandikan-dalana mihitsy anefa ity lehilehy ity raha tsy herinandro talohan’ny nahitana ilay basy ary tsy fantatra ny anton’izay, fa ny vadiny no nandeha an-tsokosoko nilaza tany ary izany no nahafahan’ny zandary nampiantso azy natao famotorana sy nanaovana ny paikady sy ny fikarohana rehetra ary nihafara tamin’ny fahitana iny basy mahery vaika iny tao amin’ny tokotanin-dRasta mpivarotra rongony ao Antanamandroso. Tsy ny volo lava no maha Rasta azy, fa izy mifoka sy mivarotra rongony
Raha ny filazan’ny tany an-toerana dia nahatratra trano maromaro no nosavaina vao niafara tamin’ny fahitàna iny basy iny. Vahoaka madinika sy mpitandro filaminana maro indray mantsy no ho lasibatra tamin’iny basy iny raha tsy hita teo. Ny alarobia 14 septambra 2016 no nahafantarana fa efa saika hampiasa ity fitaovam-piadiana ity ho hampanofaina ireto olona ireto.
CATHY