Bala enina tena izy 9mm niaraka tamin’ny basy vita gasy roa tena manara-penitra sy ny fanafody gasy no indray tratran’ny zandary teto anivon’ny vondron-tobi-parotry ny Moramanga izay notarih’ny komandiny ny Capitaine Milison Gabriel ny alin’ny 12 janoary 2019 tao amin’ny efitrano fisotroana iray teto antampon-tanan’i Moramanga. Fiaraha-miasan’ireo zandary tamin’ny vahoaka eto Moramanga no nahatrarana ireo olon-dratsy izay efa niomana ny hanao fanafihana mitam-piadiana tato anayin’nyndistrika ihany araky ny loharanom-baovao ary neken’izy ireo nandritra ny famotorana natao azy ireo ;raha toa ka efa nandramana napoaka tao amin’ny fokontany Ambohitranjavidy ny bala iray. Ao anatin’ny fanaovana ireo teti-kady entina mampandry fahalemana ny tanan’i Moramanga rahateo ireo zandary eto Moramanga ary efa nametraka ireo paikady maro samy hafa mahakasika izany ; ka izao nahatrarana ireo jiolahy efa nivonona tamin’ny teti-dratsiny izao.Efa eo andalam-pisam-borana ireo mbola jiolahy iray tetika amin’izy ireo ny mpiara-miasa akaiky amin’ity manam-boninahitra ity raha toa ka efa fantatra avokoa ny toerana misy azy ireo. Tsy hijanona ny fanadihadiana ny amin’izay nipoiran’ireo bala sy ny nahazoana ireo basy izay tena manara-penitra tokoa ireo zandary. Hantratra sy hanafoana ny tsy rariny no tanjona hoy hatrany ity manamboninahitra ity. Hanatsarany fiaraha-miasa sy ny fifandraisana akaiky eo amin’ny vahoaka sy ireo zandary ato anatin’ ny vondrontobim- paritra dia ny mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra ato anatin’ny distrikan’ny Moramanga no tohizana. Ezaka efa nanomboka ary tsy hijanona intsony hoy hatrany ity farany.
Cathy