Voamboana 02m amin’ ny efamira miisa 69 no saron’ ny zandary nandritra ny fisavana ny alin’ ny 14 may 2019 teo amin’ny tanàna Antanambao ao anatin’ ny fokontany Ampitambe kaominina Ambohibary ato anatin’ ny distrikan’ny Moramanga. Nitondra vary akotry milanja 03 taonina ity
fiara vaventy ity. Rehefa nanontany ny antotan- taratasin’ ny fiara ireto zandary no nahita fa efa lany andro ny fotoana nanaovana fanarahamaso ny fiara. Taorian’izay no nanaovana ny fisavana izay tena
entana marina ka nahatrarana ireo hazo natao tao ambany gony feno akotry. Sady tsy manana taratasy ahafahana mitondra na mpanangom-bokatra ireo mpitatitra no mbola mitondra hazo saro- bidy tsy nazahoana alalana amin’ ny alina,etsy ankilany miaiky izy ireo nandritra fanadihadiana natao azy fa tsy ara- dalàna tokoa ny zavatra nataony. Hentitra ny komandin’ ny vondontobim- paritry ny zandary eto Moramanga ny Kapiteny Millison Gabriel nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny 16 may 2019 tao amin’ ny toeram- piasany nanambara fa tsy azo atao ny mandripaka ala , sy ny manao ny fandikan- dalàna manodidina izany ary tsy handefitra amin’ ireo minia manao izany ny zandary ato anatin’ ny vondontobim- paritra Moramanga.
Cathy