Dahalo anankiroa nirongo basy no azon’ny zandary sambo-belona taorian’ny fifanjevoana tao amin’ny kaominin’i Fierenana, ny sabotsy 20 septambra tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Maty voatifitra kosa ny iray antsoina hoe » Rivokely », avy any Androndra Antananarivo. Vola roa tapitrisa ariary sy finday am-polony, an’olona notafihana tao amin’ilay tsena noravan’izy ireo, no lasan’ireo olon-dratsy, dia lasa nandositra izy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa 14 ireo jiolahy no nanafika ny tananan’i Fierenana ary mbola nahavita nandoro trano talohan’ny nandehanany. Niezaka nanao ny asany ireo zandary tany an-toerana, saingy noho ny tsy fahampian’ny fitaovana ahafahana manenjika ny olon-dratsy toy itony dia mbola lesoka ngezabe, satria voatery madeha an-tongota 86 km izy ireo, nefa ny dahalo enjehina maro no manana tambajotra sady arifomba avokoa ny fitaovana entiny manafika. Vonona ny hamongotra ny asan-dahalo aty an-toerana ireo mpitandro filaminana ka manantena ny fanampian’ny fanjakana foibe, indrindra ny fanomezana ny fiara tsy mataho-dalana izay fitaovana mahomby indrindra amin’ny fanenjehana, raha tiana hahazo vokatra tsara amin’ny fisian’ny filaminana aty amin’ity distrikan’n’i Moramanga ity.
CATHY