Any am-ponja avokoa ireo lehilahy dimy nanafika mpividy volamena tao Anosibe An’Ala ny 18 oktobra 2016,toerana saika lavitry ny distrikan’i Moramanga avokoa no nitadiavan’ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary eto Moramanga azy ireo. Rafozana sy vinanto ireto nahavanon-doza ireto, satria mpiasan’ilay Malagasy mpampiasa vola ato anatin’ny distrikan’i Moramanga ny iray tamin’izy ireo, izay hany nahafantatra ny fomba fiasa rehetra rehefa handeha hitondra vola hanao ny asa isaky ny tsena any an-toerana. Tao anatin’ny iray volana no efa nanomanan’izy ireo izany teti-dratsy izany. Telo lahy ireo voairaky ny mpampiasa no voatafika, tamin’ny 7 oktobra 2016, izay samy naratra mafy avokoa. Hamonjy ny tsenan’i Maromitety ireto voatafika ireto, 20 km miala ny tanànan’Anosibe An’Ala. Nitondra basy avokoa ireto olon-dratsy sady nitondra antsy lava. Mbola samy arahi-maso avokoa ny toe-pahasalaman’ireo voatafika amin’izao fotoana izao. Efa misy amin’ny ampahan’ireo vola no efa tafaverina any amin’ny tompony amin’izao fotoana izao. Ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona no isan’ny nahazoana vokatra, satria vao tsy ela akory no nahazo fiofanana izy ireo ary samy resy lahatra fa ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana.
CATHY