- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Efa-dahy tratra niaraka amin’ny taolam-paty 25 kg

Moramanga : Efa-dahy tratra niaraka amin’ny taolam-paty 25 kg

Taolana-(2)Natolotra ny fitsarana teto Moramanga, ny 01 oktobra, ireo efa-dahy efa raim-pianakaviana 40 taona ny zokiny indrindra ary 28 taona no zandriny indrindra. Samy efa manana tokantrano nangalatra taolam-paty tao Lavakianja fokontany Maela, ao amin’ny kaominina Anosibe Anosibe An’Ala.Taolan-davam-behivavy ambany avokoa ireo nalain’izy ireo izay milanja 25 kilao; efa nafenina tao anaty tsilo 200metatra miala ny vavahady hivoaka ny tanànan’Anosibe An’Ala raha hihazo ny RN23A hiandrasana mpividy .Tsy mbola mahita izay toerana hanaterana na hivarotana izy ireo na koa hoe nisy naniraka, fa noho ny resaka mandeha mahakasika ny vidin’ireo taolam-paty fa tena manana ny vidiny mety amin’ny feon’ny fieritreretany dia nanapakevitra avy hatrany izy ireo ny hangalatra, ka izany no antony nanafenana azy tao anaty tsilo nofonosina gony telo, mandra-pahitàna izay olona mpandray.Teo am-pisotroana no nahatraran’ny zandary miasa any an-toerana azy ireo, rehefa naharay ny fitarainan’ny tompom-pasana, ny talata 29 septambra izay tsy niandrasana ela fa avy hatrany dia nandray ny fepetra rehetra nifanadrify tamin’izany.Ny alatsinainy 28 septambra antoandro no nandevina tao amin’ity fasana ity ny fianakaviana.Ny alin’io ihany anefa no nisy nahatsikaritra fa misy olona nitondra jiro nitsilo teo amin’ny manodidina ny fasana, raha iny nandeha hitondra marary any amin’ny dokotera ireo nilaza ho nahita ary taorian’izay no nisian’ny fitarainana ka izao tra-teheky ny zandary izao. Nanaiky avy hatrany ny fanaovany ny asa ratsiny izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo.Manantena ny hahazoany fiara manokana ny zandary any an-toerana, noho ny antony maro, satria rehefa hanatitra olon-dratsy eto Moramanga toy izao dia tsy maintsy mitambatra amin’ny mpandeha fiara fitateram-bahoaka ary na ny mpandeha ao anaty fiara  aza dia feno ahiahy any anatiny mandra-pahatonga eto Moramanga ; izay làlana mandritra ny ora enina vao tonga amin’izao maintany izao.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

7 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici