- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fanafihan-dahalo, olona telo voakapa famaky

Moramanga : Fanafihan-dahalo, olona telo voakapa famaky

Telo mirahalahy no voakapan’ny antsin’ireo mpandroba  tamin’ny tongony raha iny handeha hanavo-tena iny, ny alin’ny zoma 24 febroary 2017  tao amin’ny trano  fonenean’izy ireo nandritry ny fanafihina nahazo azy ireo.  Fianakaviana iray 10   mianaka avy nivarotra omby izao nisy nanafika izao. Vola 7  hetsy sy omby 11 no  lasan’ireo olon-dratsy miaraka tamin’ireo bokin’omby sy  ny kara-panondron’ny tompony ary ny finday. Mbola teo am-piandrasana sakafo  hariva ireto  fianakaviana no niditra an-keriny ireo olon-dratsy. Zazakely 1 taona sy 2  taona no anisan’ny niharan’ny herisetra satria voaompa no  voatrerona raha  nitomany na miteny, indrindra moa raha sendra nahajery ireo
  dahalo tafiditra tao an-tranony. Tsy nikasika ireo  renim-pianakaviana izy ireo, fa dia ireo lehilahy rehetra tao  anaty fianakaviana ihany.  Dimy lahy mitondra basy lava sy antsibe no tonga tao ary ny iray tamin’izay ireo nisaron-tava. Ny fifanampian’ireo fokonolona no nahatonga  ireto marary teto
  amin’ny hopitaly teto Moramanga tonga nanolotra fanampiana  ho azy ireo ny  mpitondra teto an-toerana izay notarihan’ireo  solombavambahoaka mirahalahy ny Dr  Rajaobelina Lova sy Randriamahefa Henri Charles. Miantso ny  fandraisan’andraikitra ny mpitandro filaminana sy ireo solombavambahoaka  indrindra ny hanampiana ny isan’izy ireo hiasa any  an-toerana, raha toa ka vitsy ny isan’ireo miasa any ambanivohitra ka any amin’ireny toerana ireny no anjakan’ny tsy filaminana

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici