- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fanafihan-jiolahy, olona roa maty, roa hafa maratra

Moramanga : Fanafihan-jiolahy, olona roa maty, roa hafa maratra

Hatolotra ny fitsarana ireo mpizaodahy dahalo tratran’ny zandary ato anatin’ny vondrontobim-paritr’i Moramanga teo am-pialana sasatra, ny marainan’ny 07 desambra 2015. Rehefa nidina tany an-toerana ireo zandary nanao ny fanadihadiana, dia nahita kitapo latsaka izay fantatry ny be sy ny maro ny tompony, ka nahitana fitaovam-piadiana sy zava-maranitra maro tao anatiny ary entana halatra avy norobainy. Nanafika trano fito izy ireo, ny alin’ny 06 desambra tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany alina ka hatramin’ny valo ora sy efapolo minitra raha ny tamin’ny sivy ora alina vao nisy niantso ny zandary; tao amin’ny kaominina Antaniditra fokontany Antsahalalina mbola ato anatin’ny distrikan’i Moramanga .Vehivavy iray no naratra mafy vokatry ny fifandonana nisy teo amin’ny fokonolona sy ny mpandroba ary naratra toy zany koa ny iray tamin’ireo dahalo raha efatra izy ireo, fa ny roa ihany no nisaron-tava no sady olona eo amin’ny fiarahamonina. Olona roa no maty izay samy efa zokiolona manodidina ny 60 hatramin’ny 70 taona ity farany; izay fanahiniana novonoina tamin’ny famaky rehefa avy nentin’izy ireo natao fitaovana nandroba ary mitaona an’ireo olona avy norobaina hanaraka azy ireo handroba ny namany.Efa nahazo fampianarana tamin’ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary eto Moramanga ireo mponina tany an-toerana taorian’ny fanafihana nahazo azy ireo ka nahafahan’ireo mponina sahy nanohitra na dia nirongo fiadiana toy ny basy sy antsy ireo mpanao asa ratsy.Efa nanao taratasy ilay tompon’anabavy teo anatrehan’ny fokonolona, fa isan’ireo mpanafika hatramin’izay ity zaodahiny ary efa nampiahiahy ny olona ny fihetsiny, fa noho izy efa nanana asa eo amin’ny fiambenana teo aloha dia nanana fahatahorana azy ny olona.
Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici