- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fanalamanga, fambolen-kazo fiaraha-miasa

Moramanga : Fanalamanga, fambolen-kazo fiaraha-miasa

Mpandraharaha matihanina enina mianadahy no niara-namboly hazo tao Analameva ny sabotsy 14 martsa, ka tany 50ha no nanaovana izany asa izany. asa heverina ho vita ao anatin’ny folo andro izy io. Sady fiaraha-miasa amin’ny orinasa Fanalamanga no tafiditra ihany koa ao anatin’ny fifanarahana amin’ity orinasa ity rehefa hanao ny asa fitrandrahana izy ireo.Tsy hita taratra loatra izany fiaraha-mientan’ny mpitrandraka sy ny orinasa izany teo aloha, ka izany no nahatonga izao asa fanombohana izao ho fanentanana ny rehetra. Mihevitra ny hahavita hatramin’ny 1000ha izy ireo amin’ny taom-pambolena manaraka. Ity fotoana ity ihany koa no nanomezan’izy ireo kiraro zato ho an’ireo mpiasan’ny orinasa mpamonjy voina. Ny tale jeneralin’ity orinasa ity, izay tonga namboly hazo, dia niantso ireo mpitrandraka rehetra ihany koa hanao toy izao, satria izany no fanombohan’ny fanarenana ity orinasa izay mandalo fotoan-tsarotra ity, raha efa saika simba amin’ny ampahany maro. Eo ihany koa ny fiankinan’ireo fiainam-pianakavina maro sy ny famatsiana ny ampahany betsaka, 70%, ny saribao ampiasaina ao Antananarivo sy ny faritra hafa. Fanambin’ity mpitantana orinasa vaovao ity ny tsy hanaovana kiantranoantrano ny orinasa fa izay vonona hampandroso ihany no afaka miara-dalana aminy. Zanaka kesika karibia sy elioti ahazoana rezinina, izay anisan’ny mampiditra loharanom-bola ao anatin’ny orinasa amin’izao fotoana, no novolena, ary tany 130ha sisa no ezaka tsy vita. Vonona ny orinasa hanamora ny fiaraha-miasa amin’izany ho an’ireo izay vonona hanao toy izao, fa ny soa fianatra.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser