- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fanalamanga Velaran-tany 12ha norakofana zanakazo

Moramanga : Fanalamanga Velaran-tany 12ha norakofana zanakazo

Nanatanteraka fambolen-kazo tao Analabe ny orinasa Fanalamanga ny herinanro lasa teo. Velaran-tany 12 ha mahery izay efa nohasaina tamin’ny « tracteur » no norakofana ireo karazan-kazo haingam-pitombo toy ny bambou, eucalyptus hybride sy eucalyptus kruseana ary hazo zanatany bonara. Hetsika izay tafiditra indrindra amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024 sady fanokafana ny fankalazana ny jobily faha 50 taona nanomezan’ny fitondram-panjakana ny « périmètre de reboisement et de restauration du Mangoro » hotantanan’ny orinasa Fanalamanga. Tanjona apetrakin’ny mpitantanana ankehitriny ny hamerina ny tanjak’ity orinasam-panjakana ity amin’ny famatsiana ny hazo eto amin’ny firenena. Miray lalana amin’izany ny politika fampidirana ireo karazan-kazo hazahoam-bokatra haingana hamaly ny filana amin’ireo hazo indostrialy raha ny nambaran-dRabevahiny Arlème, tale jeneralin’ny Fanalamanga. Nandritra ity fambolen-kazo izay notanterahina tao Analabe ity ihany koa no nanambaran’ity tale jeneraly ity ampahibemaso ny fisian’ny didim-pitsarana tamin’ny volana aprily 2022 izay manome malalaka ny orinasa Fanalamanga hampiasa ny tany izay efa nomen’ny fitondram-panjakana hotantaniny sy ny tsy hitsabahan’ny fitaleavam-paritrin’ny tontolo iainana mikasika ny fanomezana ny « permis de coupe » izay nahafahan’ny olon-kafa nitrandraka ala tao anatin’ny faritralan’ny Fanalamanga nandritran’ny taona maro.

Narindra Rakotobe

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici