- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fangalarana menaka eny amin’ny lalam-pirenena, olona 9 nosamborina

Moramanga : Fangalarana menaka eny amin’ny lalam-pirenena, olona 9 nosamborina

Rava ny tambajotra. Natolotra ny Fampanoavana omaly ireo olona sivy, anatina tambajotra iray mpangalatra menaka eny amin’ny lalam-pirenana. Mpanantanteraka ilay asa ratsy, mpandray ireo entana halatra, ny mpamily mpiray tsikombakomba ary ny atidoha tao ambadik’ity fangalarana menaka ity ireto tratra ireto. Miaraka amin’ny fitaovana harifomba mihitsy ireto mpanao ratsy ireto, ary ireo fiarabe mpitaona entana avy Toamasina no mazàna lasibatra. Tamin’ity indray mitoraka dia tsiahivina fa tratra am-bodiomby raha mbola teo am-pamahana ireo menaka amin’ny bidao, tao anatin’ilay fiarabe ny dimy lahy tany amin’iny faritra Moramanga. Nitohy taorian’izay ny fisamborana ary fantatra fa mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo ilay mpamilin’ilay fiara, izay tratra taty Anosizato. Ny alahady lasa teo no nosamborina tany Toamasina ny atidoha voalaza fa nampaniraka ireto mpangalatra. Tavoahangy am-polony maro, mbola feno menaka no hita tao an-tranony taorian’ny fisavàna natao. Ny alarobia lasa teo no nosamborina tany Anjiro ny olona mpandray ireo entana halatra. Nisy ihany koa olona iray hafa kosa nosamborin’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava. Araka ny fampitam-baovao azo, dia tsy vitan’ny mangalatra izy ireo fa mbola manao hosoka ihany koa. Fantatra mantsy fa tapohin’izy ireo rano ny menaka vao nangalariny mba ho feno fatra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici