- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Fiakaran’ny rano, tanàna maro no potika

Moramanga : Fiakaran’ny rano, tanàna maro no potika

Manodidina ny 1024 ireo olona traboina ao amin’ny kaominina Andasibe, ato anatin’ny distrikan’i Moramanga. Trano 12 no lasan’ny rano tanteraka.Tsy misy herinaratra ao an-toerana hatramin’izao.Tsy nisy azo noraisina  intsony ireo fananan’ireo olona ireo.Trano 170 no difotra tanteraka.Tsy nisy fiara afaka namonjy ireo vahoaka tao an-toerana raha tsy ny harivan’ny 9 martsa 2017 tokony ho tamin’ny 5 ora hariva noho ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany. Anisan’ny olona tonga voalohany afaka nijery ny fahorian’ny olona, ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles ; izay nikaroka vahaolana ny amin’ny nametrahana vonjimaika ireo mponina tra-boina rehetra.Taorian’izay dia tonga ny teo anivon’ny faritra izay nitondra vary telo gony hoan’ireo vahoaka ireo. Nanomboka ny alakamisy tokony ho tamin’ny iray ora maraina no niakatra ny rano ary tsy nidina izany raha tsy ny 9 martsa 2017 tokony ho tamin’ny dimy ora hariva ary io ora io vao nisy tafiditra ny fiara tonga tany an-toerana. Anisan’ireo olona tonga nitady vahaolana hoan’ireo mponina ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles ; izay niantso ny malala- tànana rehetra mba hanome ireo vahoaka tsy manan-kialofana ao Andasibe.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici