Moto very efa tapa- bolana no nitadiavana mpividy, ary noheverina fa any amin’ ny distrik’ Ambatondrazaka no hivarotana azy. Efa nesorina ny kodiarany roa ka nahamailo ity mpanera, ary nahatonga azy hampilaza ny zandary. Tsy niandry ela kosa ireo tompon’ andraikitra eo
anivon’ ny vondrontobim- paritra fa nandray ny andraikiny tao anatin’ny fotoana haingana indrindra. Teo an- tokotany efa tsara fanafenana no nametrahana ity halatra. Niaiky ny heloka vitany ireto mpianaka niampy ny vinanto sy ny namana mpiara- monina. Nilaza koa ireo fa efa fanaony izao asa ratsy izao, satria moto telo izao no efa nahazoana fitarainana .Tapa- bolana lasa izay
dia namangy ny havany ny tompon’ ilay moto very ity, najanona teo ivelan’ ny varavarana niaraka tamin’ ireo moto hafa satria nihevitra ny tsy hijanona ela izy ireo fa olona tsy salama no
notsidihana. Minitra vitsy avy namangy no nahitana fa tsy teo amin’ ny toerany ny motony, ny azy irery. Natao ny fitoriana teny anivon’ ny borogadin’ ny zandary teto Moramanga. Nisy hatrany ny fiaraha- miasa teo amin’ ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana, izay nahamora ny fahitana izao halatra izao. Ny vondron- tobim- paritry ny zandary eto Moramanga rahateo dia manana fiaraha-miasa amin’ ny andrimasom- pokonolona sy ny sefom- pokontany ary ny ben’ ny tanàna ato anatin’ny distrikan’i Moramanga sy Anosibe an’ ala.
Cathy