Ady tany efa tamin’ny taona 2013, no nahatonga ny disadisa raha toa ka efa tonga teny anivon’ny fitsarana ny ady, ka naharesy ny ankilany ary ity farany no nitondra ny fitoriana an’ireo fokonolona izay nilaza ho vavolombelona nanatri-maso ny fitsaram-bahoaka nisy tao amin’ny tananan’i Mahazina fokontany Befotsy ao anatin’ny kaominina Ambohibary, ny 30 janoary 2017. Efa an-taonany maro ny mpitory ireo olona sivy tafiditra am-ponja ireo no efa nanana disadisa ara-piarahamonina tao amin’ity toerana ity. Anisan’ireo olona any am-ponja ireo ny tangalamena izay mpandamina ny ady misy eo anivon’ity tanàna ity. Tsy nankasitraka io fitsaram-bahoaka io anefa ity tangalamena anisan’ny voatondro ity hoy ireo fokonolona rehetra tamin’ny fihaonany tamin’ny mpnao gazety, teny an-toerana.Nahatonga ny filatsahana an-dàlam-be io antony io, satria nifanarahan’izy ireo ny fitsaram-bahoaka nisy tao an-toerana, ity olona izay novonoina ity dia niaiky fa mbola saika hamoaka omby roa indray no sady efa matetika miditra tam-ponja ary teo am-pamamakiana trano indray no nahatraran’ny tompo-trano, azy ka nampirongatra ny hatezeran’ny mponina.Ny nahagaga ireo fokonolona, dia ny tsy nahatafiditra an’ilay zanak’ireo mpitory any am-ponja anefa anisan’ny nandray anjara tamin’ity vono olona ity. Miantso ny famerenana ny ankety ifotony avy amin’ireo manam-pahefana ireo vahoaka any an-toerana, satria fianakaviana iray ihany ireo tafiditra any am-ponja ireo.
Cathy