Olona iray no maty teo noho eo,enina no naratra raha dimy no tena voa mafy mbola mila fitsaboana eny amin’ny hopitaliben’ i Moamanga, vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ny alin’ny 31 oktobra teo amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny fokontany Ankarahara kaominina Ambohibary PK 12,500 miala an’i Moramanga ambonivohitra. Fiara sprinter telo hihazo an’Ambatondrazaka ireo niharan-doza ireo. Nodomin’ny mini-bus iray avy any atsinanana izy ireo.Efa niezaka niala ny mety hifanenan’ilay fiara efa tazana mialoha nivilambilana fandeha ilay sprinter nialoha lalana nefa mbola nodominy ihany, ary naharatrana olona efatra. Niala teo ity mini-bus dia mbola nandona ilay sprinter faharoa fa mbola tsy tafajanona raha tsy 50 metatra, ka mbola nahadona ilay fiara fahatelo ary olona iray no naratra ary teo ihany koa no nahafaty ny iray tamin’ireo tao anaty mini-bus, ary ny mpamily kosa naratra mafy izay samy olona avy eto Moramanga avokoa izy roalahy. Tsy namela irery an’ireo niharam-boina ny solombavambahoaka voafidy teto Moramanga Randriamahefa Henri Charles fa tonga nanome tanana an’ireo notsaboina teny amin’ny hopitaly. Niantso ireo mpamily rehetra tsy an-kanavaka ihany koa ity olom-boafidy ity fa tokony hitandrina ireo rehetra manao ny asa fitateram-bahoaka mihazo an’ity lalam-pirenena faharoa ity noho ny hamaroan’ireo fiara mifamezivezy amin’ity lalana ity, indrindra fa tsy tokony hikasika zava-pisotro mahamamo rehefa hitondra fiara, Nanafatra ihany koa ny tenany fa izay tongasoa ihany no ara-baina.
CATHY