Maty noho ny ratra mafy nahazo azy ilay lehilahy vao 28 taona taorian’ny tsatoka antsy nataon’ilay sakaizany teo amin’ny ilakibony havanana, niampy rangotra vokatry ny fifamaliana nifanaovan’izy roa, ny alin’ny alakamisy 18 septambra tamin’ny 12 ora alina, teto an-tampon-tananan’i Moramanga. Adim-pamataranandro vitsy monja taorian’io no tapitra ny ainy na dia noezahana nentina teny amin’ny hopitaly aza.Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena eto Moramanga an’ilay sakaizany, izay niara-nipetraka taminy, no nahafantarana fa efa nariany any anaty lavapiringa avokoa ireo marika hamantarana fa namonoany ka nahafatesany olona, tsy nahitana na dia sombin-dra tao an-trano nandritra ny fahatongavan’ireo polisy hanao ny fanadihadiana ny marainan’ny 19 septambra. Nilaza kosa ity tovovavy ity fa rehefa nanakenda azy ilay lehilahy nadritra ny ady nifanaovan’izy roa, raha efa mamo ralehilahy, dia niezaka niaro tena izy, kanjo lasa tampoka tamin’ny tsy nampoiziny ilay antsy izay nipetraka tsy lavitra ny fandriana. Ny alatsinainy 22 septambra no natolotra ny Fampanoavana ilay tovovavy nahavanon-doza.
CATHY