- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga - Fitsaram-bahoaka : Nisambotra olona fito ny zandary

Moramanga – Fitsaram-bahoaka : Nisambotra olona fito ny zandary

Nilanja sora -baventy ireo fokonolona ao amin’ny fokontany Befotsy hanohitra ireo zandary ho fanoherana ireo fito (izay andrimasom-pokonolona ny iray, kartie maobilina ny iray, ary vehivavy ny iray amin’ireo) nigadra nandevina olona velona ny alatsinainy 30 janoary 2017 tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, tsy manaiky ny hanagadrana ireo namany ireo fokonolona na dia efa nampahafantarin’ireo zandary azy ireo aza ny lalàna mahakasika ny tsy mahamety ny fitsaram-bahoaka. Nandritry ny fanadihadiana nataon’ireo zandary no nahafantarana fa efa fanin’efatry ny olona nalevin’ireto fokonolona antsokosoko ity saron’ny zandary ity raha efa folo taona lasa ny sasany. Niara-nanao sonia kosa ireo fokonolona rehetra fa nanao ity fitsaram-bahoaka ity taorian’ny fanerena nataon’ireto olona fito efa any am-ponja ireto. Mbola tsy tapitra akory ny ain’ilay olona dia nodakana tany anaty lavaka ilay olona rehefa vita ny vavaka nataony hoy hatrany ny navalin’ireo namono nandritry ny fanadihadiana natao azy ireo. Olona avy nivoaka ny fonja ity olona ity ny zoma 27 janoary 2017 ary hitady asa tselika hatao saran-dalana hody satria fony mbola tao am-ponja izy dia nahazo iraka tamin’ireo namany izay nampitondra hafatra ho an’ireo fianakaviany no sady hanaovana an’ilay asa. Tsy tao an-trano ilay olona notadiavina ka izany no nahatonga ilay mpiandry trano hiantso vonjy tamin’ny manodidina ary ireto farany tsy nanadihady fa avy hatrany dia nidaroka. Niezaka ny nanazava ihany ity olona fa tsy nisy nihaino. Tsy nanaiky ny famonon’olona ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary eto moramanga Cdt Rakotoarisoa Eugène ka nahatonga azy handray ny andraikiny avy hatrany. Efa any am-ponja avokoa ireo tompon’antoka tamin’ity raharaha ity.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici