Moramanga no nofidian’ny filohan’ny Antenimierandoholona Andriamatoa Rakotomanana Honore raha nivoaka an’Antananarivo izy. Fitsidihana ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga sy ny lapan’ny fitsarana ary ny fonja no nataony ary ity fitsidihana farany ity no nanaporofoana teo imason’ny be sy ny maro fa tsy mbola nivoaka ny fonja ilay mpamily namono nahafaty olona dimy teto Moramanga ny faha 28 febroary lasa teo; ka nahatonga an’ity filohan’ny andrimpanjakana ity nilaza tamin’ny rehetra fa tsy marina ny filazàna fa nahazo fahafahana vonjimaika izy. Sahy nilaza tamin’ny rehetra izay tonga teo ihany koa ny tenany fa tsy mbola nivoaka na nangataka ny hivoaka ny fonja akory izy, satria fantany tsara ary nekeny ny zavatra vitany.Nihaona tamin’ireo solontenan’ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasan’ny kaominina ihany koa ity lehiben’ny andrimpanjakana ity, izay fotoana nampahafantarany ny tena anjara andraikitry ny V.I.P sy ny tena andraikitry ny lehiben’ny distrika ary ny loholon’i Madagasikara. Nohazavainy tamin’ny antsipiriany araka ny lalàna misy ao anatin’ny lalam-panorenana malagasy izany rehetra izany. Etsy ankilany ny komitin’ny manam-pahaizana miisa 11 mandinika ny lalàna momba ny fampihavanam-pirenena izay haroso any amin’ny antenimierandoholona amin’ny fotoam-pivoriana manaraka izao, haharitra hateloana izany .Nosafidiana manokana i Moramanga, hoy ity filohan’ny andrim-panjakana ity, noho antony maro samy hafa, eo ihany koa ny fahazoana ny fisian’ny loholona vehivavy voalohany, Ramatoa Razanajato Virginie, satria efa 35 taona lasa izay no nanana mpitondra vehivavy farany i Moramanga.
CATHY