Ny alin’ny alakamisy tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo no nisy niditra ankeriny tao an-tokan-tranon’ireto zokiolona mivady manodidina ny 75 taona tao amin’ny fgokontany Ambohitranjavidy ato anatin’ny kaominina ambonivohitra Moramanga. Nisaro-tava ireo jiolahy ary nitondra antsy sy hazo lava. Nitady vola iray alina tamin’ireto mpivady ka tsy nahita afatsy enina arivo ariary vola madinika noho izy ireo mpivarotra voamadilo sy voatabia ary tongolo vitsivitsy,tsy nahita izay nilainy ireo olon-dratsy dia daroka sy vely kibay no nasetrin’ireo enin-dahy azy mivady. Tsy afaka nietsika avokoa ireto zokiolona ka ny maraina mihintsy vao afaka niantso ny nmpitandro filaminana. Nandritra ny fitsirihana nataon’ireto farany no nahitana fa tsy nisy naka ny fanamafisam-peo sy ny fitaovana mora zaka tao an-trano. Efa eo am-pelatanan’ny zandary eo anivon’ny borogadin’ny Moramanga ny fanadihadiana.
Cathy