Kitay menaka halatra azo avy amin’ny hazo pin mitotaly 250 gony no saron’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny orinasa Fanalamanga sy ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny poste avancé Bembary. Tao amin’ny fokontany Ankodahoda kaominina Bembary ao anatin’ny faritra afovoany no nahasaronana ireto kitay .Fomba fiasan’ireo mpangalatra ny mitatitra ireo vokatra avy ao amin’ny faritr’alan’ny orinasa ary misy mpandray izany aty amin’ny tanàna manamorona ny lalam-pirenena faha 44. Raha ny tatitra voaray dia efa misy mihitsy ny trano voatokana fampitobiana ireo kitay menaka halatra. Ny fanapotehana ireo hazo mbola eo andalam-pitomboana no aniany tena mahasarotiny ny Fanalamanga amin’ity asa fakana kitay menka ity raha ny nambaran’ireo teknisianina avy ao amin’ity orinasa ity. Fangataham-piaraha- miasa ataon’ny mpitantana ny orinasa ny fifanomezan-tanana amin’ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny eny ifotony ka misy ny mandray ny andraikiny ary misy ihany koa ny miray tsikombakomba amin’ireo mpanimba ny ala . Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandarimariam-pirenena dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary mitohy ny fanaraha-maso sy ny ady ataon’ireo tompon’adraikitra amin’ny fanapotehana ny alan’ny orinasa . Mizara efatra lehibe ny tsindry mahazo ny ala tantanin’ity orinasam-panjakana ity dia ny halatra hazo sisiana tsy hifanarahana amin’ny orinasa ,ny fakana kitay menaka,ary ny doro tanety miampy ny fanaovana arina fandrehitra tsy ara dalàna.
Narindra Rakotobe