- Publicité SW45 -
vendredi, septembre 20, 2024
AccueilFaits-DiversMoramanga : Komorianina roa miofana ao amin’ny sekolin’ny zandary

Moramanga : Komorianina roa miofana ao amin’ny sekolin’ny zandary

Teratany vahiny 11 ahitana Nizerianina dimy sy Togolezy efatra ary Kaomorianina roa no mandrafitra ny andiany faha 20 amin’ny fampianarana ambony amin’ny fibaikoana ao anivon’ny sekoly ambon’ny zandarimariam-pirenena eto Moramanga arahin’ireo manamboninahitra ambony avy any amin’ny faritra ato anatin’ ny nosy miisa 15. Ity no andiany betsaka indrindra ary vao sambany no nisy teratany kaomorianina. Haharitra 20 herinandro ny faharetan’ny fianarana ary mitotaly 673 ora izany. Heverina ho ny tsara indrindra ny vokatra amin’ity andiany ity raha miohatra amin’izay lasa izay ary vonona ihany koa ireo mpiofana. Tombanana ho amin’ny 18 jolay 2014 ny fivoahana amin’ny fomba ofisialy. Ny komandin’ny sekoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia nankahery azy ireo fa tsy azo mora ny fahaizana raha tsy mahay manararaotra fotoana, indrindra fa ho an’ireo avy any amin’ny firenena hafa. Izany koa anefa tsy natao ho fanomezana ho an’ny eto an-toerana.

Cathy

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser