- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Lahy antitra maty teo am-pakana fisotroan-dronono

Moramanga : Lahy antitra maty teo am-pakana fisotroan-dronono

Manomboka amin’ny 1 ora maraina dia efa milahatra ireo avy lavitra.
Manomboka amin’ny 1 ora maraina dia efa milahatra ireo avy lavitra.

Lehilahy efa zokiolona 79 taona no maty teo am-pandraisana vola  fisotroan-drononony ny alatsinainy 20 aprily tokony ho tamin’ny valo ora maraina sy fito ambin’ny telompolo minitra, rehefa nilahatra hatramin’ny vao mangiran-dratsy. Efa fanaon’ireto zokiolona mpandray izay vola izany isam-bolana ny milahatra maraina toy izao, noho ny halaviran-dalana tsy maintsy hodiana ka mahatonga ny fandehanan’izy ireo mialoha. Efa tsy maharita izany karazana fihafihana izany anefa ny ankamaroan’izy ireo, raha ny filazan’ny dokotera mahita maso rehefa mandalo eo amin’ity toerana fandraisam-bola ity, ny alina talohan’ny datin’ny fahavalo ambin’ny folon’ny volana rehefa, mivezivevy mandalo amin’ity toerana ity izy ireo. Matetika aza no misy marary eo am-pilaharana noho ny fotoana maharitra hitsanganan’izy ireo, satria amin’ny 08 ora vao misokatra ny birao, nefa ny amin’ny 01 ora maraina dia efa tonga eo ny avy lavitra. Ny fepetra tokony handraisana an’ireo zokiolona hita efa marefo loatra dia atao isam-bolana, satria efa maro amin’izy ireo no osa sy avy lavitra.

Cathy

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser