- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Lakana rendrika, tafiakatra 13 namoy ny ainy

Moramanga : Lakana rendrika, tafiakatra 13 namoy ny ainy

Omaly dia fantatra fa tafakatra 13 ireo olona hita faty tamin’ilay lakana rendrika tany amin’ny reniranon’i Mangoro ny alatsinainy lasa teo. Misy olona enina kosa mbola karohina. Etsy andaniny, 13 ireo avotra soa aman-tsara. Raha vao nitranga moa ny loza tamin’ny alatsinainy dia efa nifanome tanana ny olona monina tany amin’ny tananan’iBeparasy sy ireo vohitra maro manodidina. Tokony ho tany amin’ny 4 ora tolakandro tany no niseho ny loza. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mirefy eo amin’ny 105 metatra eo ny halavitry ny elanelana tsy maintsy niampitana. Efa ho 30 metatra tsy ho tonga teny ampita anefa no nivadika ireo lakana roa izay natohy tamin’ny tariby. Araka ny filazan’ireo sasany tamin’ny avotra dia fantatra fa tsy ahazaka ireo olona 32 ny lakana raha indray miditra avokoa ny rehetra; Noho ny toe-java-misy anefa dia nandresy lahatra azy ireo ny mpitondra lakana mba atao indray mandeha ihany ny fiampitana fatsy afaka hiverina intsony ry zareo. Izany hoe, lasa nihoatra ny tokony ho izy ny vesatra nentina. Tamin’ireo olona namoy ny ainy dia zaza ny efatra, zatovo ny telo, lehilahy ny telo ery ny sisa vehivavy avokoa. Eo amin’ny 46 taona eo ny zokiny indrindra tamin’ireo niharam-boina.

Fanampiana. Omaly dia tonga tany amin’ny toerana avokoa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nitondra fanampiana. Marihina fa ny tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga dia nanolotra vary 100 kg, formol 15 boaty, labozia 12 fonosana miampy afokasoka, siramamy 20 kg, kafa 60 kapoaka ary solika nampiasaina 60 litatra. Ireo olom-boafidy koa dia nandray anjara toy ny senatera vaofidy izay nanolotra lamba namonosana ny razana mirefy 22 m. tsy diso anjaro koa ny avy ao amin’ny FJKM izay notarihan’ny prezida synodaly any an-toerana nanome lamba 30 m. Hita tany ihany koa ny solombavam-bahoaka roa avy any Moramanga. Ireo tompon’andrikitra tonga maraina, ny kamanda kaompania ny zandary ao Moramanga, ny avy ao amin’ny FJKM, ny dokotera inspektera ao Moramanga sy ny dokotera lehibe any an-toerana, ny solombavam-bahoaka Lova izay nanolotra vola 300 000 ariary. Ireo rehetra ireo dia nanao tsipaipaika avokoa nentiuna namangiana ireo manamanjo. Mikasika ireo fanomezana dia efa tafatsanga koa ny komity hitantana ny fizarana an’izany.  Anisany ny ben’ny tanana ao Beparasy, Mangarivotra sy ny pasitera hampian’ny sefo fokontany.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici