- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Lehilahy iray maty notsatohan’ny sipany antsy

Moramanga : Lehilahy iray maty notsatohan’ny sipany antsy

Nisehoana vonoan’olona tany Moramanga tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa lehilahy iray no maty notsatohan’ny sipany antsy teo amin’ny kibony. Noezahina nentina tany amin’ny hopitaly ihany ilay naratra nefa vao niala kely ny trano nonenany dia tapitra ny ainy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa mpamily fiara ity namoy ny ainy ity ary zanak’olona ambony ao amin’ny fitsarana. Nahazo vola bebe ihany izy ary fantatr’ilay vehivavy niara-nipetraka taminy. Nangataka vola io vehivavy io, ary nomeny. Tsy nahafa-po an’ilay vehivavy anefa izany ka raikitra ny fifamalina teo amin’izy roa. Nandeha nivoaka niara-nisotrosotro izy ireo, hoy hatrany ny vaovao. Tany dia efa niakatra ny feo. Nandeha nody tany amin’ny trano fonenany, any amin’ny “Camp des mariés”, avy eo. Tsy nijanona anefa ny fifamalina. Tamin’izay fotoana izay no nanindrona antsy an’ilay lehilahy ilay sipany. Voa teo amin’ny kibony ilay mpamily. Nisy kiakiaka re avy ao amin’ilay trano. Taitra ny manodidina ary avy nijery ny zava-nisy. Feno rà ny trano ary mbola hita namafa ny antsy ilay vehivavy. Nentina tany amin’ny hopitaly ilay voatsindrona antsy. Niala 500 metatra teo amin’ny Hazo Midoroboka anefa dia tapitra ny ainy.

Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser