- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Lehilahy lehibe tratra niray tamina dokotra sy gana

Moramanga : Lehilahy lehibe tratra niray tamina dokotra sy gana

Rangahy lehibe 68 taona no tratran’ny vady aman-janany  nanolana dokotra sy gana 13, ka teo amin’ny isa farany no nahatrarana azy;zendana avokoa ny fianakaviana ary voatery nitondra ity raim-pianakaviana teny amin’ny manam-pahaizana manokana momba ny saina fa tsy nahitana soritr’aretina ho amin’izany . Izy rahateo tsy misotro na mifoka na migoka na miloka,fa ny azony notantaraina dia ny hoe « efa faniriana efa elabe »;voatery nampiantso dokoteram-biby ny ankohonany sao lasibatra avokoa ireo biby fiompy hafa tao an-trano satria antom-piveloman’ireto fianakaviana ireto ny fiompiana toy ny omby,saka,alika ary ny akoho amam-borona.Tao anatin’ny tapa-bolana no nanatanterahany ity fanirian-dratsiny ity ka izay avy anaovany fampiharana dia maty avokoa , saingy tsy nahatsikaritra ny iray trano fa noheverina ho ny biby hafa no tafiditra tao an-tanàna;alefa haka rivotra any ivelan’i Madagasikara no vahaolan’ireo mpianakavy ary atao manalavitra toerana misy fiompiana sao hanolo zavatr’olona any lavitra any satria tsy hita izay fomba hitoriana azy na hanasaziana azy heverina ho ami’ity volana septambra ity ihany no fiaingana fa tsy hajanona ela.Misy ihany koa ve ny herisetra mahazo ny biby fiompy?

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser