Naiditra vonjimaika any am-ponja, ny 08 oktobra 2015 ireo efa-dahy namono nahafaty ny zaodahiny ny alin’ny alatsinainy 05 oktobra 2015 tokony ho tamin’ny 9 ora teo teto Moramanga. Efa fanaon’ity rangahy maty ity ny mamo matetika ary mila vaniny amin’ny vadiny rehefa tafaverina avy any ivelan’ny tokantrano ; ary efa nisy ny fifampitenenana teo amin’ireo anadahin’olona sy ny zaodahy mahakasika ny filam-banina ataony. Tsy naharesy lahatra azy anefa ny fifampitenenana fa nataony hatrany ny fikasihan-tanana rehefa mamo ka nahatonga ny disadisa ary nahatonga ny fandraisana zava-maranitra natsindrona azy ary mbola namelezana ny lohany ka nahafaty tsy tra-drano azy ny 06 oktobra tokony ho tamin’ny 03 ora maraina. Fiaraha-miasa efa mipetraka misy eo amin’ny sefo fokontany sy ny polisim-pirenena no ahazoana hatrany ny zava-mitranga eny ifotony ary arahina fidinana ifitony isan’andro, hoy Andriantsalama Tinasoa Noelison, « Inspecteur principal de police ».
CATHY