Lehilahy 35 taona no maty noho ny haromotana nahazo azy raha voakaikitry ny alika, telo volana lasa izay. Tsy noheverina ho tokony hotsaboina loatra ilay ratra, fa rehefa nahita ny fiovan’ilay olona lasa taitaitra sy natahotra rano ary mitsoaka aloka, sy ireo fihetsika maro nahazendana tsy fanaony, ny fianakavina ny zoma 07 novambra teo vao nanatona dokotera teny amin’ny hopitaly. Teo no nahafantarana fa efa tsy sitrana intsony izy, noho ity haromotana amin’ny olombelona ity. Tsy tana ny ainy ary dia maty izy. Nalevin’ny fianakaviany ny alatsinainy 10 novambra ny razana, izay mbola tokony hiandry ny dokotera haka ny sombiny amin’ny nofony hanaovana fizahana manokana eny amin’ny toerana voatokana. Tsy maintsy nangonina faran’izay haingana ireo fianakaviany sy ny vady aman-janany hatao vakisiny ho fisorohana sy fiarovana noho ity fanapahan-kevitra nandevina tampoka tsy niandry ny fanomezan-dalan’ny dokotera ity.Vokatry ny fisian’ireny alika mirenireny ireny tao Antsirinala no nahatonga ny loza.
CATHY