Nitrangana loza an-dalamby namoizana ain’olona indray tany amin’ny Distrikan’i Moramanga, afak’omaly, tao Ambohimanja Morarano Gare, amin’ny zotra an-dalamby Moramanga Lac Alaotra (MLA). Lehilahy iray tsy nisy loha intsony ka tsy fantatra ny endriny, ary singam-bolo nipitika tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana no nahafantarana fa “rasta” ilay maty voahitsaky ny lamasinina. Rotika bory ihany koa ny tongony roa ary ny ilan-tanany havia. Raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia voalaza fa mamo ity lehilahy namoy ny ainy, izay nivalampatra natory teo amin’ny lalamby, ary ny asabotsy alina hifoha ny alahady no nitranga ny loza, satria nanomboka nihamaina ireo rà niparitaka hita teo amin’ny lalamby. Manoloana izao voina izao, dia miahiahy fatratra ny havan’ny maty, fa mety novonoina tany an-toeran-kafa ity lehilahy ity, ary mody natsipy napetraka natsivalana teo ny fatiny ka nohitsahin’ny fiaran-dalamby, amin’izay dia heverina fa maty ho toy ny loza mahazatra ny nanjo azy. Ny hafa kosa nilaza fa namono tena izy. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana izay efa misokatra ankehitriny no hahafantarana ny tena marina amin’ity raharaha ity.
Eric Manitrisa