- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mampiasa herisetra ireo mpibodo tanin’olona

Moramanga : Mampiasa herisetra ireo mpibodo tanin’olona

Tsy afaka namboly no tsy afaka nioty na nijinja izay vokatry ny taniny ireo mponina ao anatin’ny fokontany Ankarefo sy Tsaramiafara ao anatin’ny kaominina Anosibe Ifody. Misy teratany vahiny iray efa nitoerana teto Madagasikara no nilaza ho nahazo fahazon-dalana hampiasa ny tany manontolo tamin’ny taona 2016. Etsy ankilany ireo vahoaka dia efa tamin’ny taona 1896 no efa nonina teo ny razambeny. Ny taona 1914 no tonga ny mpanjanaka ary efa nanomboka nampiasa ny herisetrany. Niverina tamin’ny taniny ireo Malagasy rehefa nahazo fahaleovantena ny Firenena . Namboly sy niompy ireo taranaka fahaenina aty aorina ary tsy nisy nikitika nandritra izay fotoana izay. Ny taona 2009 no efa nanomboka nikarakara ny taratasy mahakasika ny fananan-tany ny vahoaka ary nahazo fanamarinana fa miverina amin’ny fitondrana Malagasy ny tany ary azon’ireo mponina atao ny mampiasa azy. Nanaraka ny fenitra rehetra izay takian’ny lalàna mahakasika ny lalàna mifehy ny fananan-tany ireo vahoaka hatramin’izay na dia tsy nahay nanao izany aza ireo razana teo aloha. Ankehitriny izay tantsaha tratran’ilay vazaha mamboly na miserana manodidina ny toeram-pambolena dia samboriny ary fatorany. Ny zoma lasa teo dia olona iray teo am-piandrasan’omby no nosamborina ary nofatorana no sady nambanana basy poleta. Tonga teny an-toerana ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles ny alatsinainy 20 novambra 2017 nahita ifotony fanankanan-dalana ataon’ilay teratany vahiny sy ny mpiara-miasa aminy.Manohitra ny fampiasan-kery sy ny tsindry mahazo ny vahoaka ity olom-boafidy ity. Miantso ny fitondrana tompon’andraikitra voakasika ny vahoaka manoloana ny antsojay mahazo azy ireo.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici