- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Manakaiky ny vahoaka ny zandary

Moramanga : Manakaiky ny vahoaka ny zandary

Fampahatsiahivana sy fanentanana no nataon’ ny komandin’ ny vondon-tobim- paritry ny zandary sy ireo mpiara- miasa aminy eto Moramanga tamin’ ireo sefo fokontany sy ny lefiny ato anatin’ ny kaominina ambonivohitra Moramanga sy kaominina Ambohibary. Nampahatsiahy azy ireo mahakasika ny fampiasana ny bokim- bahiny sy ny laharana maitso azo iantsoana raha misy maika na tampoka. Anisan’ ny nibahan- toerana ny tokony hanamafisana ny fametrahana ny andrimasom- pokonolona ho an’ireo efa misy ary ny hananganana izany ho an’ izay mbola tsy nametraka. Hisy ny fanamafisana traikefa amin’ ny fomba fiaraha-miasan’ ireo zandary sy ny andrimasom-pokonolona. Fanamby ho an’ity tompon’andraikitra ity ny hisian’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny vahoaka
hanatrarana ny tanjon’ny fahalemana. Hentitra izy nanafatra ireo sefo fokontany sy ny lefiny fa ny olon-dratsy dia miara-dia amin’ny olona ao an-toerana hatrany amin’ny ankapobeny, ka ny fandraisana andraikitry ny tsirairay no ahafahana manatratra azy ireny. Tsy tokony hifanjana na ankinina amin’ny mpitandro filaminana irery fà mila hatrany ny fiaraha-miasa. Natomboka tamin’ireo kaominina roa mifanakaiky ireo ny asa fanentanana izay mbola hitohy amin’ ireo kaomina rehetra ato anatin’ny fari- piadidian’ny Kapiteny Razafimamonjy Jean Richard.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici