- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mankalaza ny faha-25 taonany ny Kompima

Moramanga : Mankalaza ny faha-25 taonany ny Kompima

Feno 25 taona ny koperativa Kompima eto Moramanga, fankalazana nosokafana ny 28 marsa 2015 Tany amin’ny kaominina Beforona no niandohany, ny taona 1990 ny faha 29 aogositra, raha mbola fiara dimy no niandohany tamin’izany fotoana izany, nampitohy an’i Moramanga sy Beforona. Ny 19 mai 1995 no azo ny fahazoan-dalana hifamezivezy tany Antananarivo sy Toamasina ary ny nanerana ny distrikan’i Moramanga. Mahatratra 150 ireo fiara miasa ao ankeitriny, izay nankasitrahan’ny ministera mpiahy azy noho ny fanajana ny kalitao sy ny mpanjifa ao aminy. Telo ireo mpitantana an’ity kaoperativa ity no nifandimby hatramin’izay, raha i Tantely Hasinaivo Flavien no filohany ankehitriny. Anisan’ny mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ato Madagaikara ny fitaterana, saingy ny faharatsian’ny lalana no olana sadrain’ireo mpampiasa fiara fitaterana, indrindra fa ny miditra any ambanivohitra. Mitaky ny fitandreman’ny mpamily rehetra  ny ministera mpiahy fa efa miroso amin’ireo karazana fanaraha-maso samihafa izy ireo, ka nahatonga ny fihenan’ny karazana loza miseho manerana ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara. Nialohavan’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny FJKM Moramanga fitiavana ity fanokafana ny jaobily faha 25 taona ity, niarahan’ireo fianakaviamben’n koperativa hafa tonga nanotrona, izay nanamarihan’izy ireo fa miara-miasa hatrany ny samy mpitatitra eto Moramanga. Hanamarika izany mandritra ny taona izy ireo amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa, mialoha ny hamaranana izany any Beforona izay toerana niandohany, izay hananganana tsangambato izay fomba any amin’iny toerana iny. Fanamby hapetraky ny filoha mpitarika ity kaoperativa ity ny hanome fahafaham-po ho an’ireo mpanjifa ao aminy mandritra ny 25 taona manaraka.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser