» Fiatrehana ny loza voa-janahary » io no lohahevitra izay dinihan’ireo mpampianatry ny sekoly fanabeazana fototra ato anatin’ny distrikan’i Moramanga mandritra ny telo andro izay tafiditra ao anatin’ny andron’ny pedagojika hoy ny nambaran’ny lehiben’ny farim-piadidam-pampianarana andriamatoa Ratrimoarikoto Harinaivo izay vao nandray ny toerany no sady fivoahany voalohany taorian’ny nanendrena azy; aminy dia izay tsara fiomanana tsy ho tampohin’ny loza ary mifandray betsaka amin’ny fanabeazana ny fisorohana ny loza noho ny fiantraikany eo amin’ny mpianatra indrindra ny any ambanivohitra. Ny 9 ka hatramin’ny 11 janoary 2017 no nanaovana izany ary tao amin’ny kaominia Anjiro no nanokafana izany. Fampiharana avy hatrany ho an’ireo chef zap izao satria vao avy nahavita ny fiofanana nadritra ny 4 andro teto Moramanga izy ireo niarahana tamin’ny ministera foibe. Mila fanamafisam-pahalalàna hatrany ny fampianarana hoy hatrany ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fampianarana ato anatin’ny distrikan’ny Moramanga ity noho ny fisian’ireo zava-baovao entin’ny fanatontoloana. Tokony hahay hanabe ankizy amin’ny lafim-piainana maro samy hafa ny mpampianatra noho ny fisandrahan’ny fanabeaza amin’ny lafiny maro samy hafa.
CATHY