Mifanome tanana amin’ny fitadiavam -bahaolana amin’ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Anosibe Ana’Ala sy Moramanga avokoa ireo mpitondra ato anatin’ny faritra, hoy ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro, dokotera Honore Raminoarisoa. Efa misy ny fomba atao amin’ny fanaovan-dalana izay nijerena manokana an’ireo toerana ratsy lalana rehetra ato anatin’ny distrikan’i Moramanga, toy ny any Mangarivotra Beparasy sy ny any Mandialaza ary ny any Fierenana, samy toerana misy vary avokoa, hatomboka ny fanamboarana rehefa maina ny andro aty Moramanga. Mijery akaiky ny fampandrosoana ato anatin’ny distrikan’i Moramanga ny lehiben’ny faritra amin’izao fotoana izao, izay nanambàrany nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny 23 jolay 2016 tao amin’ny efitrano malalaky kaominina Ambohibary fa efa manana ny vinam-pampandrosoana maro ho an’i Moramanga ny eo anivon’ny faritra ary efa misy ny fiaraha-miasany amin’ny firenena any Chine izay efa manomboka mitondra an’ireo traikefa amin’ny fambolena sy ny maro samy hafa .Nanolotra fanitso 60 isa ho fanamboarana ny CEG Andaingo sy fanitso 200 isa hanamboarana ny biraon’ny zandary hanaovana ny « poste avancé », ao Mandialaza, ary ny fanampiana an’ireo olona manamboatra tsikelikely ny lalana any Anosibe An’Ala ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro. Miantso ireo mpandraharaha rehetra ao anatin’ ny distrikan’i Moramanga sy Anosibe An’Ala hifanampy amin’ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’ireo distrika roa ireo ny solombavambahoaka Randrimahefa Henri Charles sy ny Loholon’i Madagasikara Razanajato Virginie, izay efa samy nitondra ny fanampiana ho an’iny lalana iny avokoa, saingy tsy misy ny fikojakojana ka izay no hiantsoana ireo mpampiasa lalana hifanome tanana amin’ny fanamboarana, satria ahiana ho tapaka ny eo amin’ny pk 12,pk 21,pk 32, efa mahadifotra fiara ny fotaka. Manantena ny fahavitan’ny lalana avy amin’ny fitondrana foibe ny mponina any an-toerana.
CATHY
Moramanga : Mitady vaha olana amin’ny lalana mankany Anosibe an’Ala
Articles qui pourraient vous intéresser